40 taona ny LMA : vita soa aman-tsara !

Publié le par Joyce

LMA : FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONA

tao ANTANANARIVO

Vita soa aman-tsara ny fankalazana ny faha-40 taona ny LYCEE MODERNE AMPEFILOHA , tany Madagascar tamin'ny Sabotsy faha-10 Jiona lasa teo.

Ireto ary ny soratra sy sary eo am-pelatànana mikasika ny korana izay niarahan'ny maintimolaly, ny mpitantana, ny mpandraraha, sy ny Ray aman-drenin'ny mpianatra nikarakara. Mbola manantena sary fanampiny isika satria maro tokoa ny namana nanatrika izany fankalazana izany 

Soratra avy amin'i NY EJA : (miaraka amin'i RA-BEPC eto amin'i sary. Ampatsiahivina fa i RA-BEPC no nanome antsika ireny sary taloha ireny ka isaorana betsaka izy)

Tamin'ny  2ora katroka no nanomboka ny  korana "Dejeuner Dansant " izay  fankalazana ny  faha 40 taona Lycée Moderne Ampefiloha, tamin'ny  toerana  mihaja dia mihaja mendrika tanteraka tokoa  no nanaovana ny  fety:

 "Akany Soa Fonenako"

 

tànàna iray miravaka voninkazo sy trano fanaovana lanonana tonga lafatra , no nandray ireto  vahiny mianjaika.

 

 Ireo ny  hôtesses nandray ny tapaka sy namana tonga nanome voninahitra izany faha- 40 taona izany !

Teny ampidirana dia efa azonay antoka fa fahafam-po  tanteraka ny fety satria na dia naheno izato mozika maredona sy mahafinaritra nataon'ny  tarika matihanina "Melo dihy " fotsiny aza  dia ampy hitokianay  fa hikorana marina izahay .

 

 Rehefa natao  ny  fampafantarana ireo  manampahefana mpandrindra ao amin'ny  lycée Ampefiloha , dia nandray  anjara tamin'ny  kabary ny  talean'ny  LMA amin'izao fotoana izao,  ary naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ny  mpanotrona  izay tonga maro be satria dia feno hiboka ny  trano izany  mahazaka eo amin'ny  olona 600 eo  ho eo .

 "Ny afindrafindrao tsy  azo avela" no nanamarika ny  fidirana teo amin'ny  dihy ary  ka kely na lehibe dia nandihy avokoa,  tsy nahitana toerana intsony  ny  seza fa dia nitsangana  ny  olona rehetra nanome voninahitra izany   fanombohana izany.

Nanome voninahitra ity lanonana ity  i :

RAMBELOSON LAURENT

CHEF de CABINET  du PRESIDENT du SENAT

Isan'ny mpianatra voalohany  tao  amin'ny  LMA izy .   Izy  sy ny filoha SENAT ankehitriny  no nanokatra ny  lycée Ampefiloha tamin'ny  taona 1966.

 

 

Korana feno fifaliana ka dia tsy diso anjara ny tanora sy  ny  lehibe , eny fa na dia ireo zokinjokiny aza,  fa  nankafy tanteraka ny  dihy malazan'ny tanora  amin'izao fotoana izao  dia kilalaka sy ny sisa ...

Raha ny sakafo no asian-teny 

dia aoka fotsiny  fa dia voky  tanteraka izahay, na teo amin'ny  fandrindrana , na teo amin'ny  tsiro na teo amin'ny  endriky ny  sakafo dia matihanina no nanao azy .

 

Nampiavaka ity faha 40 taona ity ny fandraisan'anjara mavitrika teo  amin'ny  kilalao  karazany irony  envellope surprise irony fa saingy briquet no nanaovana izany, maro be ireo orin'asa nanohana ity fety ity ary  nanome loka izay  nahazahoana milaza fa dia tsara rindra sy  tsara fandaminana ny  fetin'ny  LMA .

 

Tamin'ny  6ora sasany  no  nifarana ny  lanonana  mbola nisy  ny  fanomezana vola isaky ny latabatra ka izay nanome  be indrindra dia mahazo loka nataon'ny mpandrindra ny fety LMA   ka nahazo  ny  loka voalohany    ny  latabatry ny  AALMA tamin'ny  vola betsaka indrindra nataony  , nahazo  Gateaux avy any amin'ny  orin'asa MADELICE izy  ireo  tamin'izany

(NY EJA)

Soratra avy amin'i RAZAKAMANANTSOA GustaveFilohan'ny ALMA - MADAGASCAR (sary eto ambany)

Vita soa aman-tsara ny fankalazana ny faha 40 taonan'ny Lycee ,ary nofaranana tamin'ny dejeuner dansant, tsy nitsanga-menatra isika tami'izany fa dia niara nisalahy tamin'ireo mpiandraikitra rehetra hatramin'ny volana desambra 2005 ka hatramin'izao.

Tsy noraisin'ireo Tompon'andrakitry ny Lycee ho vahiny isika fa dia hita fa tompon'ny Lycee tokoa ny Anciens ary manana andraikitra maro hatrany amin'ny fitaizana ireo mpianatra ankehitriny.

I Rambeloson Christian 

(eo amin'ny ankavihy) 

no solon-tenantsika ao amin'ny Conseil d'Etablissement ary manaraka akaiky sy manapaka hevitra momban'ny fiainan'ny Lycee @ anaran'ny maintimolaly, mitovy laharana amin'ny FRAM (Fikambanan'ny Ray Aman-drenin'ny Mpianatra)

Misaotra betsaka amin'ny hevitrareo ex-LMA - FRANCE hampitaovana an'Lycee amin'ny Ordinateurs sy ny kojakoja momban'izany. Tena ao anatin'ny laharam-pamehan'ny Lycee tokoa izany satria ny vola azo tamin'ny lanonana rehetra natao  tamin'iny 40eme iny dia ho entina hampitaovana ny CDI ( Centre de Documentation et d'Informations) na ilay antsoitsika hoe 'Bibliotheque' fahizay.

 

Efa misy efitra tokoa natokana ao ho asiana Ordinateurs, saingy ny efitra no misy fa ny ordinateurs no mitady.

(Gustave RAZAFY )

Isaorana manokana koa Rtoa RABETRANO Marcelle,

nandefa e-mail   fampaherezana ho an'ny  ex-LMA - France sy ity blog ity. Marihiny tokoa fa ity blog ity dia natao ho an'ny ex-LMA rehetra tsy misy ankanavaka, na mpandraraha, na mpitantana, na mpampianatra, na ny mpianatra.

Araka ny soratr'io Mpampianatra zava-boary (Sciences Naturelles) hoe :

"...Vita soaman-tsara tokoa ny fety fanakatonana ny faha 40 taona ny LMA teny Mandrosoa Ivato. Ary azo lazaina fa dia sady nahafinaritra no nahitana fahombiazana tanteraka tamin'ny lafiny rehetra. Koa maro ireo Mpampianatra sy Mpandraharaha no nangataka sahady ny Alatsinainy nanaraka ny hoe hamerenana azy indray!!!! "

Ka dia ho tratry ny fankalazana manaraka daholo ny ex-LMA rehetra e!

____________________________________

Eo am-piandrasana ny sary sy soratra manaraka, dia mbola mamerina ny fisaorana an'i :

- Rtoa Rabetrano Marcelle

- Benja (nandefa ny sary),

- Ny Eja sy Gustave (soratra sy fanazavana)

Joyce

Publié dans lma.anciens

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article