CELEBRATION 40 ème Anniversaire du LMA

Publié le par Joyce

40 taona ny L.M.A

1966 - 2006

 

Ao anatin'ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny LYCEE MODERNE AMPEFILOHA

Dia misy fanentànana  karakarain'i Rtoa Marcelle RABETRANO, filohan'ny Filan-kevitry ny  LMA any Dago  hamitàna ny Centre de  Documentation et d'Information ao amin'ny Lycée. 

Amin'ny Sabotsy faha-10 Jiona 2006  , manomboka amin'ny 12 ora sy sasany izany "déjeuner-dansant" izany , etsy MANDROSOA IVATO, ao amin'ny

 " AKANY SOA FONENAKO "

(mahazaka hatramin'ny olona 500)

Ka manainga antsika ex-LMA rehetra eto Madagascar, (indrindra ireo izay tsy lavitra an'Antananarivo), na mpianatra, na mpandraraha, na namana, na fianakaviana hanohana izany asa soa enti-manavao ny fianaran'ny solofo sy ndimby izany .

Tongava soa daholo, satria ny adidy ho vita, ny fahafinaretana ho azo e !

Fandraisana anjara : 125 000fmg isan'olona 

---------------------------------------------------------

Ho Anao 

 Maintimolaly ny LMA, 

Faly miarahaba Anao amin'ity mailaka ity ny tenako.

  Faly miarahaba Anao koa tratry ny faha 40 taona ny LMA 

 

 

Ary indrindra indrindra, faly miarahaba Anao amin'izao toerana misy Anao izao ankehitriny. Izay mantsy no isan'ny hafaliam-po lehibe indrindra ho an'ny Mpanabe.

 Koa, mba ahafahantsika miaraka manome fahalalana, fahaizana sy fivelaran-tsaina ho an'ireto zandry zanaka izay mandimby anareo eto amin'ny LMA, dia tsy misalasala aho manentana ny fanohanana sy ny fiarahamiasanao

 Koa ento ny anjara-birikinao amin'ny famitaovana ny CDI ( Centre de documentation et d'information), ka tongava eny amin'ny fetin-tsika  eny Mandrosoa IVATO ao amin'ny " AKANY SOA FONENAKO" amin'ny 12 ora sy sasany ny Sabotsy 10 Jiona 2006, fa miandry Anao izahay.

 Dia misaotra indrindra.

 Marcelle RABETRANO

Mpampianatra Zava-boary 

 Filohan'ny Filan-kevitry ny Sekoly.

 

 

 

 

Publié dans lma.anciens

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article