NDAO HIREVY II ! !

Publié le par Joyce

"NDAO HIREVY II ! !“
FAHOMBIAZANA TANTERAKA  ! !
Efa ela tokoa angamba izay tsy  nihaonana izay ka dia indro ireto mpinamana, mpiara mianatra fahiny tao amin'ny  LMA fa nanao fihaonana indray tao amin’ny Efitrano faha-30, ny zoma 1 Jona lasa teo.
Vao tamin'ny  fito hariva dia efa maro no tonga ary tamin'ny 8 sasany moa dia efa feno ny trano ka dia natomboka ny lanonana izay  nankafizanay indray izany  hira nahafinaritra anay izany.

Niakatra tokoa ny aingam-panahy

ka dia notohizana tamin'ny  fandihizana  ny korana.

Ny masoandro hiposaka no mampalahelo fa dia mandra-maraina ny fety.

Nahafinaritra ny fihaonana
satria nahita indray ireo namana vaovao hafa, izay  mpianatra tao fahiny ihany koa.

Nafana tokoa ny fikoranana....

Voamarika koa fa tsy ny "maintimolaly tranainy" ihany no tonga tamin'ity fihaonana ity .

Tazana tao tokoa maintsy ireo vao hafaka BAC tsy ela ...
Tao ihany koa ireo mpanohana....
...sy  ireo tapaka sy namana !!!
...indrindra moa ny ex-LMA....
tao koa ireo mpanao belotte fahiny tery anjoron-tranon'ny ministere tery...
Itnan-tsika amin'izao fa tena kanto tokoa ny fiarahana...
......dia efa mipetraka sahady , nandritran'ny lanonana ny fanontaniana hoe :
" RAHAOVIANA INDRAY NY MANARAKA ? "
Efa miandriandry ny fiarahana manaraka indray ny rehetra, ...
dia ny excursion nampanantenain’ny tompon’andraikitra izany ! !
Hampitaina eto  amin’ity sehatra ity ihany ny daty hanatanterahana an’izany.
Misaotra ireo rehetra nanatontosa iny fihaonana iny, indrindra ny Filankevitry ny Sekoly, teo ambany fitarihan’ny Proviseur, ary ny Fikambanan’ny Maintimolaly.
Aza hatao ela hono ny manaraka e!”
Soratra : Ny Eja
Sary : Benja
Joyce

Publié dans lma.anciens

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
R

Mba misy mazoto hihaona ve ny kilasy niarahana taloha e? Ohatra hoe ny 1ere A2 (1988) na TA2 (1989) (kilasy: Agathe, Solofo Rabela, Eva, Michèle, Soa, Emilie, Dina, Joel, Romeo, Gabrielle, Holy,
...). Na ohatra koa ny 2nd1 (1987) (kilasy: Patricia, Voahirana, Fara Henintsoa, Baovola, Jocelyne, Iharimalala, Fanja Ramanitriniony, Philippe, Thierry, Antonio, Jameson, Hajazo, Lantoniaina,
Irène, Clémentine, ...). Hahafinaritra ny tafahaona na dia hoe receveur aza ny sasany moa PDG ny sasany. Ny tsimbotry niaraka tsy mifanary raha lasa adrisa, sa ahoana ...

Répondre
D
original votre blog ! bonne continuation !vous pouvez visitez : - mes 3 trésors : http://www.magic-blog.com/jaccquesandre -blog de Rakotonirainy : http://jachery5.blogspace.fr
Répondre