FIHAONANA L.M.A. France 2006 : Tongà lafatra ! !

Publié le par JOYCE

FIHAONANA L.M.A.  France  2006

Retrouvailles LMA 2006 : réussies ! 

Vita soa-aman-tsàra NY FIHAONANA 2006 niarahan'ny maintimolaly taty France .

 

Niatomboka tamin'ny 1 ora atoandro ka hatramin'ny 7 ora alina ny lanonàna, tao amin'ny Restaurant MON TANA tao Valenton !

Le restaurant MON TANA, à Valenton, a été impeccable ! L'équipe de Mme Anna a brillé par sa discrétion et par son efficacité. Le cadre somptueux et les mets exquis ont contribué à la réussite de cette journée du 13 Mai 2006 !

     
 
     

Ny tompon-trano , sady sariaka no mahay mandray olona ; ny sakafo dia hanim-pito loha, ny trano dia aoka fotsiny fa dia mahaliana !

Nankafia ny sakafo maro karazany (na gasy, na sinoa, na vazaha)  tsy lany laniana tao ireto maintimolaly ireto, sady nitafà sy nidinika tsy misy toy izany !

 

Ny mpianakavy, ny namana, ny maintimolaly dia faly tafahoana indray ! Mankatelina Tompoko ô!

 

 

 

Isaorana manokana ireo rehetra, izay nitoto nahafotsy, nahandro naha-masaka, nandray anjara tamin'ny fikarakarana io fihaonana io

Isan'izany ireto "beaux gosses" roa ireto, izay niangaviana hitaty ny fandraisana anjara tamin'io andro io ! Tomombana tokoa izany .

     Na dia vitsy noho ny nieritreretanay azy aza ny ex-LMA tonga , dia tratra ihany, ny "contrat" natao tamin'ny tompon-trano. Rehefa nampiana ny vidin'ny CD nisy ny hira fanevan'ny LMA lafo sy ny tokony tamin'ny "mofo menakely", ny vola fandraisana anjara, dia "pile" tsara mihintsy ny koty. Misaotra an-tsika rehetra !

Marihina fa ny olona rehetra tonga tao amin'io fihaonana LMA 2006 io dia samy nandoa ny toerany avokoa, na mpikarakara, na fianakaviana, na nàmana ! 

Nifandimby tao ny kabary, ny dinidinika mikasika ny fikambanana, ny firaha-miàsa amin'ny AALMA aty Madagascar, sns... 

Tonga nanome voninahitra izany fihaonana izany moa ny Pdt d'honneur sady isan'ny namorona ny Association des Anciens Elèves du LMA :

 

 

Rakotomalala Minoson

Misaotra indrindra ry Mino ny amin'ny fanazavàna nomenao,  

ary soavà-dia e!

Rehefa avy nihinana sy nisotro dia raikitra ny "Afindrafindrao"

Hita finaritra ery ireto ex-LMA ireto, nandray anjara tamin'ny fikoranana rehetra !

Teo ny dihy isan-karazany tsy anki-tsahàtra : na ny Gym tany amin'ny Lycée aza tsy naha terà-tsemboka toy izany !

Ary tena nahafinaritra satria fony nalefa ny hira fanevan'ny L.MA., dia nandredono tsy nisy toy izany ny feon'ireto maintimolaly ireto, narahin'ny mpitendry zava-maneno.

Ka asaina isika rehetra na mpianatra ankehitrio, na ny maintimolaly mba hianatra io tononkira faneva io :

 

 

Ny mpitendry rehetra nanafàna ny fihaonana io , na guitares, na trompette na piano, na batterie dia saiky ho ex-LMA avokoa ! Isaoran-tsika izy ireo !

 Na ny taranaka fàra-mandimby aza mba nankafihy koa !!

 

 

Aprés tant d'effort, une pause s'imposait pour (entre autres) les parents de Aina,  Mme "Menakely" ...

 

 

 

 

avec la bénédiction de la...Sainte-Famille !

Dia nandredona tao koa ny hirahira, sy kalokalo nandraisan'ny rehetra anjàra !

.... promotion 70 - 80 ! !

 

Na "duo" na "solo", dia nifandimby namakivaky ity Restaurant MON TANA kanto dia kanto ity

Namaky tononkalo sy nanao karajia an-tsehatra koa ANDRIADALAOARIVONY Jeannot mivady tamin'io fihaonana io.

Araka ny fangatahana nataonay, dia nanoratra tononkalo manokana ho fahatsiarovana io fihaonana io izy : misaotra sy mankatelina tompoko !

Nahafinaritra ery satria ankaotran'ny talenta dia tsàpa fa mahay mifandray amin'ny olona manatrika azy i Jeannot mivady !  Raha te-hahalala be kokoa mikasika ny tarika IMAHAVITA isika mpiara-mianatra tamin'i Jeannot dia afaka manoratra amin'ity e-mail ity : imahavita@hotmail.fr

 

    Anisan'izay nahatonga lafatra  io takariva io koa, dia ny fahatongavan'ity tovovavy kely vao 13 taona ity , izay nahaliana ny rehetra :

AINA QUACH

Une présence trés appréciée : celle de la jeune chanteuse franco-malgache AINA QUACH qui a époustoufflé l' auditoire par sa voix exeptionnelle et une maturité scénique rare pour ses 13 ans. Elle a interprèté avec autant d'aisance , (et sans accent SVP) des chansons malgaches et anglophones.  Le concert qu'elle a donné le 13 Mai dernier  à Morangis a été remarquable. Félicitations !  Merci AINA et bon vent à toi !

        Na hira teny malagasy (Ny hitiavako anao, Raivo a!, Mandihiza rahitsikitsika, Maty ilay mpivaro-tena, Ramez-ramez...) na hira teny vahiny dia ..... feon'olona izany tompoko ô!

Isaorana ny ray aman-dreniny Dominique sy Alifara nitondra azy tao satria sady nanafàna ny lanonana izy, no nanome hajany ny maha-malagasy !

Nanohana antsika izy ka mba tohànan-tsika koa e !!

Vita soa aman-tsàra ny fampisehoana nataon'i Aina QUACH tao MORANGIS tamin'ny Sabotsy faha 13 Mey 2006. Hira efa ho dimy ambin'ny folo no nampiseoany ny talentany tamin'izany.

- Raha te-hijery Clips Mini-concert   an'i AINA ianao dia "cliquer-o" ity voatsipika eto ambany eto  (mila ny Real PLayer vao mandeha io).

http://www.petal-tv.com/ainad.htm

 

 

 

Dia nitohy hatrany ny dihy sy ny hira....

 

 

Na dia somary nihetsika aza ny mpàka-sary....

 

 

Itanao amin'izao ary fa dia nafàna ny resaka. Na malagasy na vazaha, na maintimolalin'Ampefiloha na ny an'i Sainte Famille na mpianatra fahin'ny Saint-Michel, na ny an'ny Lycée Jules Ferry , Galliéni,  ny an'i ESCA sns... dia samy nikorana sy nifaly daholo !!

Conviviales, festives, gaies, animées, réussies.... autant de mots pour qualifier ces retrouvailles qui en appellent d'autres ! A bientôt et merci encore à tous!

Merci aux photographes : ils peuvent envoyer leurs clichés à :

lma-ex@netcourrier.com

Misaotra antsika isika !

(Photos : Fàra et Ralax)

Joyce

Publié dans lma.anciens

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article