Vaovaon'ny L.M.A.

Publié le par joyce

Lycée-Pilote
Atoa ANDRIANAIVOMANJATO Rasolofiafara no tale (proviseur) ankehitriny. (eo amin'ny ankavanana )
 
Mba fantatrao moa fa ny Lycée Moderne Ampefiloha no anisan’ny be mpianatra indrindra any Dago ?
 
  
Tamin’ny faran’ny taom-pianarana 2002-2003 dia nihisa ho 150 ny mpampianatra ary 2830 ny mpianatra. Nizara kilasy 61 izy ireo :
 
Kilasy faharoa (2nd) : 19
Kilasy voalohany (1 ere) : 19 (A, C, D)
Kilasy famaranana (Terminale) : 23 (A,C,D)
Tamin’iny taom-pianarana lasa iny (2004 – 2005), dia efa niakatra 3020 ny mpianatra mitsinjara ao amin’ireo kilasy 61 , izany hoe niampy eo amin'ny 190 eo eo
 
Efa manana “laboratoires” vaovao koa ny LMA izao, miaraka amin’ny “centre de documentation” vao notokanana . Ny FID ((Fonds d’intervention pour le développement) amin’ny alalan’ny Banque Mondiale no miantoka ireo fanfandramana ireo.
 


 
       Asa raha fantatrao koa fa arakin’ny fanapahan-kevitrin’ny governemanta malagasy ankehitriny dia ny L.M.A.  no isan’ny  “lycée pilote” any Dago. Efa hatramin’ny 2004 no nanankery izany fanandramana izany. Izany hoe, ny lycéen-tsika izany no ataon’ny ministeran’ny fampianarana foibe fanandramana izay mety ho avin’ny ambaratonga faharoa any Dago ao aoriana . Ka rehefa hita sy tsapa fa mety ao amin’ny L.M.A. ny fikasana maro samy hafa , dia  hampiarina manerana ny Nosy !
Inona avy moa izany fanandramana izany ?
 
       Ao aloha ny fanatsarana sy  fikolokoloana ny efa misy, indrindra ny rindrina sy ny tokontany. Tsaroan-tsika tsara fa ny terrain fanaovan-tsika hand-ball dia mbola “tany mena “ taloha  ka efa lasa “bitume” amin’izao fotoana izao
 
Ao anatin’izany programa izany koa ny fanomezana fitaovana moderna ho an’ny mpandraharaha, ny mpampianatra sy ny mpianatra toan’ny “videoprojecteur”, ny “duplicateur” , "photocopieuse "!
      Mba hahafahan’ny LMA mifandray mivantana sy mifangaro amin’ny lycée hafa manerana ny Nosy , ary hahafahany manao “voyages d’études” dia hisy “bus” roa omena azy ;  ny an’ny  mpampianatra kosa dia “”mini-bus” !
 
      Raha ny fahafantaranay azy aza dia efa misy “cantine” ao amin'ny Lycée ao ! Eeeeeeee! Taiza ny andro fony isika mbola mirava amin’ny 12h 30 ka manenjika amin’ny 2 ora, anefa eny Itaosy na eny Ambohimanarina no mody !!!!
Mirary soa hoan’ny  LMA ankehitriny e!
Raha te-hanome vaovao fanampiny na fanintsiana dia alefaso ao amin'ny :
Miandry anareo ry maintimolàly a!!
 
Ketaka

Publié dans lma.anciens

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article